À propos de ce modèle
Ny fifanekem-piasana ho an’ny asa an-trano dia fifanarahana ifamatotan’ny mpampiasa sy ny mpiasa trano tsy voafaritra mialoha ny faharetany, izany hoe tsy misy fetra napetraka amin’ny fotoana iasàna. Izy io dia afaka atao kilasy mandry na kilasy mody araky ny hifanarahan’ny roa tonta. Afaka faranana ihany anefa io fifanekena io raha misy fametra-pialàna, fandroahana, na fisotroan-dronono.
Documents fournis
- Ny fifanekem-piasana
Contenu de l’acte
Les 9 articles du document :
- 1Fe-potoana
- 2Toeram-piasana
- 3Andalana ho an’ny mpiasa kilasy mandry
- 4Andraikitra
- 5Fandoavana karama
- 6Fialan-tsasatra
- 7Fahatapahan’ny fifanekena momba ny asa
- 8Fifanolanana amin’ny asa
- 9Fanovana
Caractéristiques
- Discipline
- Travail
- Complexité
- Simple
- Langue
- Malagasy
- Délai de rédaction
- 12 heures (heures de bureau)
- Nombre de pages
- 2-3
- Lois et règlements de référence
- Code du Travail
- Instructions, tutoriels ou guides fournis
- Non
- Dernière mise à jour
- 16 février 2026
Accès libre
| En accès libreGratuit | |
|---|---|
| Format du document | |
| Vérification de la cohérence | Non |
| SAV et corrections | Non (une nouvelle commande corrige une erreur) |
| Assistance par e-mail | Problèmes techniques, sous 72 h |
| Licence d’utilisation | Restreinte |
| Mises à jour du modèle | — |
Vous choisirez votre formule après avoir rempli le questionnaire. En commandant, vous acceptez nos conditions générales de vente et d’utilisation. Une formule marquée « Bientôt disponible » n’est pas encore ouverte à la commande.
Questions fréquentes
Azo atao ve ny manao CDI mpiasa trano “temps partiel” dia mihatra ve ny karama farany ambany sy ny congé ?
Eny, raha latsaky ny 40 ora isan-kerinandro ny asa dia lasa asa amin’ny fotoana ampahany (temps partiel). Ny zo rehetra (karama, fialan-tsasatra…) dia isaina amin’ny ampahany (proratisé).
Azo soloina vola ve ny congé payé ?
Tsia, tsy azo soloina vola ny “congé payé”. Voalazan’ny lalana fa tsy manan-kery ny fifanarahana rehetra, na amin’ny soratra na am-bava, izay manolo ny congé amin’ny vola . Midika izany fa na ny mpampiasa no tsy te hampandeha ny mpiasa, na ny mpiasa mihitsy no mangataka vola fa tsy haka congé, dia voarara izany. Anefa rehefa tonga amin’ny fiafaran’ny asa (fandroahana, fialana, fisotroan-dronono, sns.), raha mbola misy andro congé voaangona nefa tsy nampiasaina, dia afaka soloina indemnité compensatrice de congé ny zo fialan-tsasatra.
Mihatra ve ny karama farany ambany na dia mipetraka ao amin’ny mpampiasa aza ny mpiasa, na omena sakafo ?
Eny, ny karama farany ambany (SME) dia mihatra amin’ny mpiasa rehetra. Ny karama dia ahitana ny karama fototra sy ny tombon-tsoa azo amin’ny endrika hafa (trano, sakafo, sns.). Tsy maintsy aloa vola ny karama farafahakeliny, ny tombon-tsoa azo amin’ny endrika hafa dia raisina ho fanampiny ihany.
Fa raha mifanaraka kosa ny andaniny roa, dia afaka mandoa hofan-trano, na saran-tsakafo raikitra ny mpiasa.
Mila soratana any amin’ny CNAPS ve ny mpiasa an-trano ?
Ny mpampiasa rehetra dia tokony mampiditra ny mpiasany ao amin’ny CNAPS, anisan’izany ny mpiasa an-trano. Raha tsy misy CNAPS, ny mpampiasa no mandoa karama sy fandaniana rehetra amin’ny fiterahana, ny aretina, ary ny lozam-piasana na aretina azo noho ny asa. Ao arinan’ny fampitandreman’ny “inspection” dia mety ho tonga hatramin’ny 1 000 000 Ar ny sazy, lasa avo roa heny miampy sazy an-tranomaizina 5–29 andro raha miverimberina.